Fanamainana ny sakay eny amin’ny masoandro
Uploaded 1 month ago | Loading
11:34
Feno bobongolo sy lò ny sakay rehefa mijanona ho mando. Mamoaka poizina mankarary antsoin’ny olona hoe aflatoxine ny bobongolo sasany. Mba hanafainganana ny fanamainana ary hanamainana ny sakafo amin’ny fomba madio, dia azo atao ny mampiasa fanamainana mampiasa ny hafanan’ny masoandro mba hanamainana ny voankazo sy ny legioma. Amin’ny endriny isan-karazany sy ny habeny isan-karazany ny fanamainana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, fa mitovy ny fomba ny fiasany. Hianarantsika anatin’ity vidéo ity ny fomba fanamboarana sy fampiasana fanamainana tsotra mandeha amin’ny herin’ny masoandro mba hanamainana ny sakay.
Current language
Malagasy
Produced by
Agro-Insight