Fampahalalana fototra
Ny vehivavy sy ny tanora no ho avy sy fototry ny fampandrosoana ny fambolena. Nahazo vahana tato ho ato ny fampiroboroboana ny fambolena ho asa fandraharahana mba hisian’ny lanja ara-toekarena bebe kokoa sy hamporisika ny tanora hirotsaka amin’ny fambolena.
Ny fambolena dia nahazo tombony tamin'ny fivoarana haingan’ny teknolojian'ny fifandraisan-davitra (TIC). Any amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana, miroborobo ny tolotra ara-bola amin'ny finday (mobile money). Toy izany koa, ny tambajotra sosialy sy ny applications izay manampy ny tantsaha haminavina ny toetr'andro na hahafantatra ny vidin'entana eny an-tsena. Amin’izao fotoana izao, mila fahalalàna azo antoka ny tantsaha mba hanatsarana ny fivelomany sy hiarovany ny fianakaviany.
Access Agriculture dia fikambanana tsy mitady tombombarotra izay manohana ny fizarana horonan-tsary fanofanana tsara kalitao mba hizarana fahalalàna azo ampiharina momba ny fambolena sy ny fanodinana sakafo aty amin’ny ilabolatany atsimo. Ny tantsaha any Amerika Latina, Afrika ary Azia dia afaka mianatra amin'ny namany any amin'ny kaontinanta hafa.
Access Agriculture dia namolavola ny foto-kevitra “mpandraharaha ho an’ny fahalalahana any ambanivohitra” (ERA): olon-tsotra na ekipa kely mampiasa projecteur intelligent hamolavolana na hanitarana ny asa fandraharana ataony manodidina ny fizarana horonan-tsary momba ny fambolena.
Raha ny fahitanay ny fahaiza-manao momba ny TIC sy ny tambajotran'ny tanora lahy sy vavy ankehitriny dia mino izahay fa ho afaka manohana bebe kokoa ny tantsaha amin’ny fambolena sy fiompiana biolojika ka hanintona ny tanora hisehatra amin’ny fambolena indrindra ny vehivavy.
Projecteur intelligent Digisoft
Ny projecteur intelligent dia ahitana ny horonan-tsary Access Agriculture rehetra azo alefa na tsy misy tambajotra aterineto na tambajotra finday aza. Izy io dia miaraka amin'ny fitaovana fandraisana angovo avy amin’ny masoandro, bateria ary fitaovana fampitana feo mahasehaka olona hatramin'ny 150 ; ao anaty valizy mafy avokoa izany.
Ny projecteur dia miasa toy ny tranonkalan’ny Access Agriculture saingy tsy ilàna tambajotra aterineto, miaraka amin'ny horonan-tsary efa voasokajy araka ny karazany sy fomba fiteny samihafa. Mihavao tsy tapaka ireo horonantsary ao anatiny ireo.
Azo jerena eto ny horonan-tsary mahakasika ny projecteur intelligent:
Play smart… with the DCS smart projector
On the road with the smart projector - GADC Uganda
Farmers like videos from other countries
Entrepreneurs for Rural Access - India
Tsindrio eto raha te ahahalala bebe kokoa momba ny projecteur intelligent.
Fanontaniana mipetraka matetika (FAQ)
Inona no tombony azo raha voafidy ho lasa ERA?
Access Agriculture dia hampindrana projecteur intelligent anao mandritra ny faharetan'ny tetikasa. Rehefa mifarana ny tetikasa ka nampiasainao araka ny tokony ho izy ny projecteur dia ho lasa fanananao. Access Agriculture dia handray an-tanana ny saran'ny fandefasana azy sy ny fadin-tseranana. Access Agriculture dia manana ekipa voatokana izay hanoro hevitra, hanohana ary hanome anao torohevitra momba ny fampiasana ny projecteur intelligent sy ny drafitry ny orinasanao. Access Agriculture dia hampifandray anao amin'ireo mpandraharaha tanora hafa mba hizaranao ny traikefanao sy hanamafisana na hanatsarana ny drafitry ny orinasanao.
Hafiriana no tokony hiandry mialohan'ny handraisana ilay projecteur intelligent?
Ao anatin'ny roa volana manomboka amin'ny daty nampahafantarana anao fa voafidy ho ERA ianao dia hahazo ny projecteur intélligent. Na izany aza, mialohan'ny handraisanao azy dia mila mandalo fiofanana ianao izay hianaranao ny fampiasana azy.
Raha tsy voafantina ve aho dia afaka mividy na manofa projecteur intelligent?
Raha tsy voafantina ve aho dia afaka mividy na manofa projecteur intelligent ?
Raha tsy mahafeno ny fepetra takiana ianao na tsy voafantina dia azonao atao ny mifandray amin'ny Digisoft Education (info@digisoft-education.com) mba hividianana projecteur intelligent ho anao manokana. Tsy afaka ofaina ny projecteur intelligent.
Afaka manolotra “plan d’affaire” efa nampiharin'ny hafa ve aho ?
Tsia. Mitady plan d’affaire vaovao avy amina vondron'olona 3 izahay fa tsy maka tahaka ny efa ataon'ny hafa.
Afaka manolotra plan d’affaires mombana vinavinan’orinasa na orinasa efa iasako ve aho?
Eny, mamporisika anao izahay hanitatra ny orinasanao amin’alalan’ity soafararaotra ity.
Firy ny taratasy fandraisana anjara azoko atolotra?
Fandraisana anjara iray ihany no azonao atolotra.
Inona no zavatra tsy vatsian’ity programa Entrepreneurs for Rural Access ity vola?
- Lahatsoratra na fikarohana eny amin'ny oniversite
- Plan d’affaire izay mamporisika ny fampiasana fanafody sy zezika simika
- Karama sy saran-dalana