Tanin-janakanana ho an’ny tongolo
Uploaded 9 months ago | Loading
12:37
Mitaky tany voaasa tsara ny zanaka tongolo hafindra. Ampio komposta. Mandritra ny vanim-potoanan’ny orana, dia tokony akarina ny hahavon’ny tanin-janak’anana mba tsy hahalo ny fakan’ny zanaka tongolo . Hitsimoka avokoa ny ankamaroan’ny masomboly, raha masomboly tsara kalitao no ampiasainao, ary kely kokoa ny fatra ilainao. Mila toerana malalaka hahafahany mitombo ny zanaka tongolo. Ataovy manara-tsipika ny famafazana, 5 hatramin’ny 10sm ny elanelany, ary 1 sm ny halalin’ ny tsipika. Avy eo rakofy vovon-tany manify ireo voa nafafy.
Current language
Malagasy
Produced by
Agro-Insight