Manodina ny fako trondro ho zezika
Uploaded 1 year ago | Loading

15:20
Ny tsinay, ny loha, ny hoditra sy ny faritra hafa amin’ny trondro izay tsy hanin’ny olona dia azo avadika ho zezika amin’ny fandovana azy. Manan-karena azote, sy phosphore sy otrik’aina ny fako-trondro. Rehefa ampiasaina ny zezika fako-trondro, dia mihatsara ny tany, ary mitombo ny mikraoba tsara, ka mora raisin’ny voly. Manampy ny voly hanana faka sy ravina matanjaka izy, sy hiaro azo amin’ny biby mpanimba sy aretina ka hamokatra kokoa. Manampy amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny voly ihany koa ny zezika fako-trondro.
Current language
Malagasy
Produced by
Green Adjuvants